Sosialy

Karama farany ambany 200 000 Ar Mihatra amin’ny faran’ny volana mey ho an’ny orinasa maro


  • Zoma 10 Mey 2019

Samy manana ny fomba fiasany ny ankamaroan’ireo orinasa tsy miankina eto amintsika taorian’ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana sy ny sendikan’ny mpiasa ary ny vondron’orinasa

 

 

 

ny amin’ny fampiakarana ho 200.000 Ar ny karama farany ambany indrindra. Ho an’ireo orinasa tsy miankina maromaro nanaovana fanadihadiana dia saika amin’ity faran’ny volana mey ity avokoa ny ankamaroan’izy ireo vao hampihatra ny azy. Na izany aza anefa, hoy ny tale jeneralina orinasa iray dia mbola mafimafy ihany ny fanatanterahana izany izay mitaky asa mafy sy ezaka avy amin’ny mpiasa ihany koa fa tsy mandeha ho azy. Ho ana orinasa tsy miankina vahiny iray nanaovana fanadihadiana indray dia fantatra fa saika nanemotra ny fandraisana ireo mpiasa sasany nokasainy  hatao mpiasa raikitra izy ireo, raha ny fitarainana avy amin’ireo mpiasa. Nisy tamin’ireto farany mantsy rehefa  nahavita fianaran’asa telo volana no  mbola nampitomboiny ho enim-bolana indray noho ny tahotra ny handoa ilay karama farany ambany 200.000 Ar.  Tsy betsaka anefa io vola io raha atao ny kaonty. Tsy ampy hiainana olona telo mianaka iray volana raha mandany vary tapa-gony 35.000 Ar isam-bolana, saribao iray gony 20.000 Ar, hofan-trano 100.000 Ar amin’ilay tsizarizary, miampy jiro  20.000 Ar sy saram-pianaran’ny mpianatra. Efa tsy tadifitra intsony ny laoka hilaofana isan’andro sy ny saran-dalana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT