Sosialy

Karama 7 volana tsy voaray Mitokona ireo mpandanja fiara


  • Zoma 08 Oktobra 2021

Raikitra ny fitokonana fanairan’ireo mpiasa amin’ny “station de pésage” na toerana fandanjana fiara miisa 7 eny amin’ny làlam-pirenena, izay mitaky ny fandoavana ny karama 7 volana.

 Manoloana io tsy fandraisana karama io, dia manao fitokonana fanairana mandritra ny 48ora, mba hamahan’ny Fanjakana ny olana izy ireo. Milaza mantsy izy ireo, fa nanomboka ny volana janoary-septambra dia nahatratra 2 miliara Ar mahery ny vola nampidirin’izy ireo, kanefa dia tsy voaloa ny karama. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana hamahana ny olana izahay, fa raha tsy izany dia hihamafy ny hetsika, hoy izy ireo. Nanomboka omaly tamin’ny 8ora maraina hatramin’ny sabotsy hatramin’ny 8ora maraina moa io fitokonana io, ka tsy misy fandanjana fiara miasa, ary tsy mandray lamandy ao anatin’izay elanelam-potoana izay, hany ka nandeha amin’izao ireo fiara lehibe mpitondra entana tokony holanjaina omaly. Mandrahona hanitatra amin’ny ambony kokoa ny fitakiany raha tsy misy ny vahaolana. Marihina fa ny Minisiteran’ny asa vaventy no miahy azy ireo, mirotsaka ao amin’ny “Fonds Routier” ny vola miditra. 30 tapitrisa Ar eo no very mandritra ny roa andro satria 15 tapitrisa Ar isan’andro eo no voalaza fa ampidirin’ireo toeram-pandanjana fiara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT