Sosialy

Karama 5 volana tsy voaloa Hitokona indray ny mpandanja fiara vaventy


  • Zoma 03 Jona 2022

Niverina nitokona indray ireo mpiasa eny amin’ny toerana fandanjana fiara no ny karamany tsy voaray. Vidin-katsembohany na karama efa 5 volana mantsy no voalaza fa tsy voaray. Hiakatra 72ora isan-kerinandro ny

 fitokonana raha tsy misy ny vahoaolana, hoy izy ireo. Mivarimberina ny hatrany ny olana. Ny tamin’ny 2021, 8 volana ny karama tsy voaloa raha tsy nitokona, amin’izao indray efa 5 volana.. An-tapitrisany isan’andro anefa ny vola vola ampidirinay, hoy ny mpiasa. Tena mampidi-bola, 15 tapitrisa Ar isan’andro ny vola ampidirinay, tonga dia mankany amin’ny FR (Fonds Routier). Maro ihany ny loza mitranga, kamio manao taingim-be rehefa tsy misy fanaraha-maso, hoy ireo mpiasa mpandanja fiara. Gidragidra lava vao azo ny karama Henjana izany hoe 5 volana tsy mandray vola izany, ary miandry domina amin’ny grevy sy fitokonana hatrany vao taitra. Tsy ny resaka karaman’ny mpandanja fiara ihany io fa sehatra maro. Eo ihany koa ny tsy fangaraharahana amin’ny fitantanana ny volan’ny FR. Nolazaina fa misy 400 miliara Ar ao, kanefa nahoana no tsy voaloa hatramin’ny karaman’ny mpandaja fiara. Nisy ny fampahalalam-baovao nilaza fa an-jatony miliara voahodinkodina. Ankoatra ny karaman’ny mpandanja fiara, efa an-taonany no nitaky ny fandoavana ny volany ihany koa ireo orinasa misehatra amin’ny fanaovana asa vaventy, izay manodidina ny 300 kanefa vitsy no efa nahazo. Tahaka izany ve ilay fitantanana manara-penitra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT