KAPOAKAM-BARY TSY ARA-DALANA

Miisa 315 no noraofina tao Fianarantsoa omaly


  • Alakamisy 24 Oktobra 2024

Miisa 315 indray omaly Alarobia 23 Oktobra ireo kapoakam-bary tsy ara-dalana nivarotana vary sy voamaina

tao an-tampon-tananan’i Fianarantsoa saron’ny tompon’andraikitra. Tao amin’ny Fokontanin’Ankofafa sy ny manodidina no tena nahitana betsaka azy ireo raha araka ny loharanom-baovao azo. Raha tsiahivina kely dia efa tena betsaka tokoa ny fitarainan’ireo mponina ao an-tampon-tananan’i Fianarantsoa mikasika ny hala-bary amin’ny alalan’ny fampiasana kapoaka tsy izy hataon’ireo mpivarotra any an-toerana. Raha mividy vary 100 kapoaka mantsy ohatra ny tokantrano iray dia tafidina hatrany amin’ny 90 kapoaka sisa izany rehefa tonga any an-trano. Nambaran’ireo tompon’andraikitra nanao ny fidinana ifotony omaly moa fa ny vavan’ilay kapoaka no teren’ireo mpivarotra mba hikatona, antony mampihena ny vary tonga any amin’ny mpividy. Nampitandrina araka izany ny tenany fa raha mbola tratra fanindroany mampihatra io teknika ratsy io ireo mpivarotra any an-toerana dia hakatona avy hatrany ny tsenany.
Pati
Legende : Midina ifotony tahaka izao ireo tompon’amdraikitra manara-maso ireo kapoakam-bary eny an-tsena !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT