Sosialy

Kapoakam-bary Fa ahoana marina ny tantarany ?


  • Talata 19 Janoary 2021

Ny taonjato faha 19 tany ho any rehefa nanomboka ny fifandraisantsika

 



Malagasy tamin’ny vahiny dia nisy ny maridrefy sy famarana toy ny “décalitre”, hoy ny mpahay tantara, Hemerson Andrianitrazafy. Ny malagasy koa nanana famarana. Fomban’ny Malagasy ny mandrefy amin’ny fitaovana mitovy refy. Nony tonga ny fanjanahantany dia lasa mari-drefy ny kapoaka “nestlé”  na ilay boatina ronono mandry vita avy any Frantsa. Hitan’ny malagasy nanomboka teo hoe vary 3 kapoaka sy tapany mira 1 kilao, ary io no mbola mitohy mandrak’ankehitriiny. Tsy misy hoe didim-panjakana na lalàna fa noho ilay odidina nisy tamin’ireny fotoana ireny no nametraka izany ho azy. Niitatra hatramin’ny boatina “Gigoz” sy “cerelac” avy eo. Izay fitaovana nisy no lasa maridrefy. Taloha dabana “pétrole” koa izao no namarana rano dia izao lasa “bidon jaune”. Lasa miasa hatramin’ny boatina “madco”. Ankehitriny dia tsy maharefy ny fidangan’ny vidim-piainana isika. Anaty fahanntrana mangitsokitsoka nefa tokony ho manana indrindra. Lasa kapoaka no mametra ny olombelona. Tsy isika mihitsy no tokony hanafatra vary saingy nohabadoina moa dia lasa tsy mpamokatra fa mpivarotra sisa. Tadidio anefa fa ny zavatra miakatra tsy midina intsony, hoy hatrany ity mpahay tantara ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT