Sosialy

KAOPERATIVA MANERANA NY NOSY Manana 45 andro hanaovana ny antontan-taratasiny


  • Zoma 17 Janoary 2020

45 andro sisa no fe-potoana omen’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT ho an’ireo kaoperativa rehetra manerana ny Nosy mba hanavaozan’izy ireo ny antontan-taratasy ho amin’ny ara-dalàna.

 

 Tafiditra ao anatin’izany  ny fanavaozana  ny fahazoan-dalana hivezivezy, ny « licences »,.... Hatreto mantsy raha ny vaovao azo dia kaoperativa 240 amin’ireo 330 misy no efa nahavita nanavao ny azy tamin’iny taona 2019 efa nivalona iny. 45 amin’ireo kaoperativa ireo no nanavao ny « licence » sy nanao sonia ny bokin’andraikitra  vaovao ary nanaiky fa hanaja izany. Ny mampalahelo anefa dia toa mijanona an-tsoratra sy am-bava fotsiny ihany izany fa tsy misy ny tena fampiharana. Anisan’ny tena mangidy ho an’ny mpandeha, ohatra, ny fihodinana an-dalana izay voararan’ny lalàna mihitsy, ny fanariana mpandeha eny an-dalana….nefa mbola betsaka ireo taksibe manao izany. Inoana, araka izany, fa hisy ny fanaraha-maso hataon’ny ATT aorian’ity hetsika izay  hotanterahin’izy ireo ity ho fiarovana ny tombontsoam-bahoaka.

 

 

Pati

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT