Sosialy

Kaoperativa ao Vohidahy Amoron’i Mania Niofana momba ny fiompiana trondro sy fambolena kafe


  • Talata 23 Novambra 2021

Nahazo fampiofanana momba ny fiainana anatiny sy fitantanam-bola ny kaoperativa miisa teo tao amin’ny kaominina ambanivohitr’I Vohidahy, 45km lalan-tany avy ao amin'ny distrika Ambositra, Faritra Amoron’I Mania.

 Nofanin’ny DRICC (Direction Régionale de l’Industrie, du Commerce et de la Consommation) an'ny mpikambana an'ireto kaoperativa ireto, izay miompana manokana amin'ny fiompiana trondro, akoho, ary fambolena kafe sy lavanila. Notolorana azy ny taratasy manamarika ny fijorony ara-dalàna taorian'ny fiofanana azony. Nanampy tamin'ny fikarakarana ny fampiofanana ny Fikambanana tsy miakina amin'ny Fanjakana Tsiry Mad, sy ny Tsiry Parm. Ankoatra ny asa fiarovana ny zon'ny mpanjifa, dia isan'ny andraikitry ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana ihany koa ny manome fanofanana an'ireny kaoperativa ireny, amin'ny alalan'ny Fitaleavam-paritra manerana ny Nosy, hoy ny fanazavana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT