Sosialy

Kaonty fako misokoky mangataka vola Efa any amin’ny manampahefana ny raharaha, hoy Rtoa Assanati


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Sorena ny amin’ny fihetsik’ireo olona sasany eto amintsika Ramatoa Assanati Famo Gidraka, filoham-boninahitry ny fikambanana Assanati Famo Gidraka.

Mitombo isa hatrany mantsy ireo kaonty fako mitondra ny anarany mangataka vola sy manao endrika fisolokiana mifandraika amin’izany izay tsy azy velively. Voatery nandray fepetra izy sy ny fikambanana tahiriny noho izany nandefa ny raharaha eny anivon’ny manampahefana. Ny kaonty Assanati Famo Gidraka Ofisialy ihany no tena izy hoy izy. Nohamafisiny araka izany fa tsy tompon'andraikitra amin'ireo kaonty izay mitondra ny anarany hafa any izy ka misoloky maka vola amin’ireny karazan’olona mety ho voafitany ireny . Tsy manana kaonty afa-tsy ny Assanati Famo Gidraka Ofisialy ny tenako hoy izy. Notsindriany ihany koa fa tsy eto Madagasikara ny tenany ka hampiasa laharam-pinday eto Madagasikara. Tsara moa ny manamarika fa tsy misy vola aloha ao anatin’ny Fikambanana tarihiny na ao anaty facebook . Maimaimpoana avokoa, ary tsy misy tambiny izany hoy izy koa samia mailo sy mitandrina fa tsy kely lalana ny ratsy mampita hafatra amin’ireo fans sy ireo mpanaraka azy. Tsy miova moa ny teny filamatry ny fikambanana dia ilay manao hoe : Antsika rehetra miaraka amin’ny Assanati Famo Gidraka ary ny Werawera tsy maintsy mandeha. Mitohy hatrany araka izany ny fanolorana ireo karazana fanomezana ho an’ireo mpanaraka an-dRamatoa Assanati ao anaty tambajotran-tserasera Facebook ary tsy manao politika izy ireo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT