Sosialy

Kaontenera tsy ampy etsy La Réunion kely Miandry fatratra ny andiany manaraka ny mponina


  • Alakamisy 28 Febroary 2019

Tokantrano 18 isa hatreto no efa nahazo toerana anatin’ireo kaontenera miisa dimy fanomezana avy amin’ny minisiteran’ny mponina sy fampiroboroboana ny vehivavy ho an’ireo olona tsy manan-kialofana etsy La Réunion kely.

 

 

 

 

 

 Mbola tokantrano 101 anefa no mila izany izay efa tena miandry fatratra tokoa. Mbola maro amin’izy ireo no manana ankizy madinika izay tena hampahorian’ny karazan’aretina vokatry ny loto tokoa. Hetahetan’izy ny hanafainganana ny fahatongavan’ireo kaontenera ambiny fa tsy  hiandrasana ny volana septambra intsony. Ho an’ireo efa nahazo dia efa milamina ny fiainan’izy ireo amin’ny ankapobeny. Araka ny  fanazavan’Atoa Armand, raim-pianakaviana niteraka efatra efa nipetraka teny La Réunion kely nanomboka tamin’ny taona 1984 dia afaka amin’ny loto sy ny korontana sachet plastika tanteraka izy ireo ankehitriny. Hetahetan’izy ireo manaraka ny hananany trano fivoahana sy toerana fanariam-pako ary paompin-drano fisotro madio mitokana ho azy ireo mihitsy. Nisy tamin’ireo mponina eny an-toerana rava trano teo aloha tsy tafiditra anatin’ireo kaontenera dimy ireo no napetraka amin’ny trano lay eo akaikin’izy ireo ihany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT