Ilaina ny fividianana fiaramanidina sy ny fanokafana sidina vaovao tahaka ny mankany Fianarantsoa tamin’ny fitokanana farany teo.
Tokony hitady vahaolana maharitra kosa anefa ny tompon’andraikitra ho an’ity kaompania nasionaly Air Madagascar ity. Voakasika manokana amin’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny filankevi-pitantanana (PCA).
Tombony 8 tapitrisa dolara
Nanambara ireo teknisianina fa tena ilaina ny fanoloana na fividianana fiaramanidina satria hahazo tombony 8 tapitrisa dolara isan-taona i Madagasikara raha ny fanazavana. Efa mahamenatra ny fahasimbana ara-teknika mpahazo lava tahaka ny nitranga tamin’ny Tsaradia izay niteraka resabe sy sary ratsy ho an’ny firenena noho ny fahatarana 15 andro be izao. Fahatarana izay niteraka fatiantoka be ho an’ny kaompania satria tsy maintsy ampiantranoina sy omena sakafo hatrany ireo mpandeha tamin’ny fotoanan’ny olana. Tokony hialana faran’izay haingana aloha ny tranga sahala amin’izany amin’ny alalan’ny fikojakojana amin’ny fomba rehetra hanehoana ny maha matihanina. Ilaina izany satria fantatra ihany koa fa tena mafy ireo kaompania hafa mpifanandrina tahaka an’i Torkia, Kenya, Aostralia. Mila mailo ihany koa amin’ny fividianana fiaramanadina satria misy amin’izy ireny no tsy mety eto Madagasikara mihitsy, indrindra ny mankany amin’ny faritany. Efa nanambara mihitsy aza moa ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana teo aloha fa misy tamin’ireo fiaramanidina eto Madagasikara vao haingana sy tsara ireo no tsy afaka mandeha Toamasina na Sambava akory. Misy ihany koa ny be masonkarena satria mandany solika be miampy ny hetra aloa ka na dia feno matetika aza ny toerana dia tsy misy tombony. Amin’izany rehetra izany dia mbola lavitra ny ezaka saingy tokony ho vahaolana maharitra kosa no apetraka indrindra ny amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mba ahafahan’ny Kaompania Air Madagascar hifaninana amin’ireo kaompania hafa ireo. Mampametra-panontaniana raha hiarina ihany ity kaompania ity satria hatreto dia izay olona efa mitantana tao ihany no mbola notendrena ho filohan'ny filan-kevi-pitantanana. Ny tale ara-bola no nomena ny fahefana vonjimaika fa tsy mbola notendrena ny tale jeneraly. Efa betsaka ihany izay olona napetraka teo izay saingy tsy mety tafavoaka mihitsy ny kaompaniam-pirenena. Asa indray amin’ity indray mitoraka ity !!!
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.