Sosialy

Kaomisera Eoropeanina Janez Lenarčič “Tsy ampy fiomanana amin’ny rivodoza ny Fanjakana”


  • Zoma 10 Martsa 2023

Nanao fitsidihana ofisialy an’i Madagasikara nandritra ny 3 andro nanomboka ny 7 martsa hatramin’ny omaly 9

martsa 2023 ny Kaomisera Eoropeanina momba ny fanampiana mikasika ny maha olona fitantanana sy fandrindrana krizy Janez Lenarčič. Ankoatra ny fihaonana tamin’ny tompon’andraikitra samihafa sy ireo solontenan’ny firenena maro, nidina ifotony tany amin’ireo faritra tena traboinan’ny rivodoza Freddy tahaka ny tany Vaovavy sy Fitovinany, ny tany Atsiomo Andrefana. Anisan’ny niara-dia tamin’ny avy amin’ny UNICEF na Sampan-draharaha iraisam-pirenena misahana ny ankizy sy ny vehivavy satria ianjadian’ny krizy ara-tsakafo ihany koa any amin’ny tapany Atsimo sy Atsimo-Atsinanan’i Madagasikara satria manodidina ny 92 000 no ianjadiany mivantana, ka ankizy ny 40 000 amin’ireo. Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha moa io Kaomisera ambony io omaly. Niompana tamin'ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetr’andro eto Madagasikara sy ny fiatrehana izany ny fihaonan’ny roa tonta, anisan'izany ny haintany any Atsimon'ny Nosy sy ireo rivodoza nisesy tamin'ny taon-dasa sy tamin'ity taona ity. Nanambara moa Atoa Janez Lenarčič fa eo anilan'i Madagasikara hatrany ny Vondrona Eoropeana indrindra amin’ny fametrahana fandaharanasa fiahiana ireo mponina traboina sy mba hahafahan'izy ireo miarina aorian'ireny loza ireny. Izay ny resaka diplaomatika teny an-dapa, fa nilaza ihany koa Atoa Janez Lenarčič, fa tsy ampy fiomanana ny fanjakana amin’ny fiatrehana ny rivodoza. Fanampiana mandalo ny « Aide Humanitaire » fa ny fametrahana fotodrafitr’asa maharitra no atao hoe : fanampiana ny vahoaka raha ny fanazavany. Toa karazana lesona miantefa amin’ny mpitondra ankehitriny ihany io eo anatrehan’ny sehoseho ivelany sy ny vonjy tavanandro, fa tsy manana vahaolana maharitra. Misy vola atokan’ny vondrona eropeanina hanaovana izany, saingy mitaky fahaiza-mitantana na “bonne gouvernance” ho an’ny firenena maniry hisitraka izany. Amin’ny 50 tapitrisa euros vola haompana ho an’ny fitantanana ny krizy nateraky ny loza voajanahary, voalaza hatreto fa 13,3 tapitrisa euros no ho an’I Madagasikara, 25 tapitrisa ho an’i Mozambika, 7,4 tapitrisa ho an’i Zimbabwe ary 4,3 tapitrisa ho an’i Lesotho.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT