Kaominin’Ivato

Tsy manan-kialofana manodidina ny 50 isa no nisitraka fanampiana


  • Zoma 05 Septambra 2025

Toy ny fanaon'ny fikambanana Mii'zara isan-taona dia misy ny hetsika

Mii'zara hafanana" ho an'ireo mpiara-belona tsy manan-kialofana matory eny an-dalambe. Nisafidy ny hiala kely ny renivohitra ny ekipa tamin’ity taona ity, hoy ny fampitàm-baovaon’izy ireo omaly, dia teny amin’ny kaominin’Ivato. Fiaraha-mientana teo anivon'ny fiadidiana ny kaominin’Ivato sy ity fikambanana ity no nahafahana nanao izao hetsika izao, hoy ny fanazavàna. Tena hita fa miharitra hatsiaka sy fanala izy ireo. Nizara akanjo mafana ho azy ireo ny ekipa. Noho ny hatsiaka mianjady amin'izy ireo dia misy ireo tsy mahazaka izany ka maty mihitsy. Ny tena tanjona ao anatin'ilay izy dia ny ahatonga izao fanampiana kely vita izao ho isan’ny anjara biriky hamonjena ny mpiara-belona sahirana eto amin’ny firenena. Mpatory an-dalana manodidina ny 50 isa teo no afaka nampisitrahana izany tamin’ity, hoy hatrany ny fanazavàna voaray omaly.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT