Sosialy

Kaominin’Ivato Tafakatra 600 ariary ny rano iray « bidon »


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Tafakatra hatramin'ny 600 ariary ny rano iray bidon ao anatin'ireo fokontany 13 mandrafitra ny kaominina ivato vokatry ny tsy fisian-drano

. Raha ny fitarainan'ny mponina dia efa misasak'alina hatrany matetika vao mandeha kely ny rano amin'ny paompin'ny jirama ka miteraka fahasahiranana lehibe ho azy ireo. Voatery maka rano any amin'ny faritra ivelan'ny koaminina noho izany ny mponina amin'ny andro atoandro ka tafakatra 500 ka hatramin'ny 600 ar no ividianana ny rano amin'ny bidon miloko mavo iray raha 50 ar izany teo aloha. Velon-taraina ny mponin'ivato noho io olana io satria lasa fandaniana ambonin'ny efa fandaniana mahazatra indray izay fidangan'ny vidin-drano fisotro izany. Efa nisy ihany ny vahaolana natolotry ny fanjakana tamin'ny fotoan'andron'ny ministry ny rano teo aloha hoy i gani, raim-pianakaviana iray monina eny Mandrosoa Ivato, tamin'ny alalan'ny fananganana siniben-drano lehibe hohampiasain'ny jirama saingy tsy nisy tohiny izany hatreto. Io foto-drafitrasa io anefa no hitan'ireto mponin'Ivato ireto fa tokony hamaha tanteraka izao olan'ny rano mianjady amin'izy ireo izao raha toa ka miasa ara-dalana. Manao antso amin'ny fitondram-panjakana araka izany ireo vahoaka eny amin'ity kaominina ity hijery akaiky ny hahafahana mampiasa sy mampiodina ilay siniben-drano efa mijoro eny an-toerana saingy lasa haingon-tanana fotsiny hatreto fa tsy miasa.
Pati
Legende : Toy izao ny fitateran-drano avy amin'ny faritra hafa mankeny Ivato
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT