Sosialy

Kaominin’i Tsiafajavona Lasa misy tsena manara-penitra 26 isa


  • Zoma 15 Janoary 2021

Nasiam-panavaozana ny tsena ao Tsiafajavona, vokatry ny fiaraha-miasan’izy

 

 

 

ireo tamin’ny orinasa Star.Tontosa tamin’ny 13 janoary lasa teo ny fanokanana ity tsena ity natrehin’ny governoran’ny Faritra Vakinankaratra sy ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana ary ny tale jeneralin’ny orinasa Star. Raha tsiahivina kely dia nanomboka tamin’ny taona 2014 , fotoana nanorenan’ny orinasa Star ny ozininy tany Ambatolampy no nanasoavany ireo vahoaka any an-toerana. Vao miandoha indray ity taona 2021 ity dia nanangana tsena manara-penitra miisa 26 ao amin’ny kaominin’i Tsiafajavona izy ireo ho fanatsarana ny toe-karena eny an-toerana. Olona manodidina ny 2.000 isa moa no hisitraka mivantana ny tombontsoa azo avy amin’ny fijoroan’ity tsena ity. Nankasitraka feno ny fisian’ity tsena vaovao ao amin’ny kaominina iadidiany ity moa ny Ben’ny tanànan’i Tsiafajavona Ratsimandavana Jean Eric Rosalphin nandritra ny lanonam-pitokanana. Tsy hisy intsony mantsy hoy izy ny mpivarotra mipetraka amin’ny tany sy ny famotehana ala hanaovana fitoeran’entana ankoatra ny fidiram-bola ho an’ny kaominina.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT