Sosialy

Kaominin’i Tanjombato Kotrana no iadiana amin’ny zava-mahadomelina


  • Talata 02 Novambra 2021

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny kaominin’ambanivohitr’i Tanjombato ny toeram-pialamboly sy fikotranana mba ho fibeazan’ireo tanora eny an-toerana izay mirefy 250 m².

Araka ny fanazavan’ny ben’ny tanana, Tovo Rakotojohary, dia toerana efa nisy izy ity no navaozina ireo fotodrafitrasa rehetra tao anatiny mba ho sehatra ivelaran’ny tanora na eo amin’ny lafiny haiady izany na eo amin’ny sehatry ny kanto. Tsy manana toerana ahafahana mampiseho ny talenta sy hikarakarana vatana loatra ny ety Tanjombato, hoy hatrany ny fanazavany. Ny kely ananana izao nohavaozina sy nezahana hanara-penitra izao. Sady toerana ho an’ny haiady na “Dojo” izy amin’ny lafiny iray fa ivon-toeran’ny kanto ihany koa na hoe “centre culturel”. Iarahanay ifanapahana tsy ho ela kosa ny ho atao anarany. Tamin’ny tapa-bolana izahay ilay nivory mikasika ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fanomezana sehatra ny mpanao haiady hiady amin’izany iny ka tohin’izay ity navaozina eto Andohavato ity. Ao anatiny, araka izany, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fisarihana ny tanora mba tsy ho revon’ny zava-mahadomelina, hoy hatrany I Tovo Rakotojohary.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT