Sosialy

Kaominin’i Talatamaty Maimaimpoana hatrany ny didim-poitra


  • Alakamisy 04 Mey 2023

60.000 Ar ny mora indrindra amin’ny fanaovana didim-poitra eny anivon’ny dokotera tsy miankina amin’izao ho an’ny zazalahy kely iray.

Mitovy avokoa io na vao teraka na efa 16 taona raha efa misy mahatratra 200.000 Ar ny an’ny sasany. Betsaka amin’ireo Ray aman-dReny noho izany no tsy manana fahafahana ny handoa io vola io, antony manosika ny kaominina Talatamaty hanao didim-poitra faobe maimaimpoana ho an’ireo mponina ao aminy isan-taona. Tsy handoavam-bola izany rehefa volana Mey na Jona saingy tsy maintsy misoratra anarana mialoha kosa. Ankoatra ny fandidiana dia mbola manome kilalao sy malabary ho an’ilay zaza ihany koa ny kaominina, hanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Zazalahy kely manodidina ny 300 isa isan-taona moa raha kely no mahazo tombony amin’izany, ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka ao anatin’ity kaominina ity. Ho an’ity taona 2023 ity moa dia fantatra fa efa miparitaka eny anivon’ny Fokontany ny filazana hahafahan’ny mponina misitraka izany.
Pati
Legende : Tsy handoavam-bola ny fanaovana didim-poitra faobe ho an’ny kaominina Talatamaty
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT