Sosialy

Kaominin’i Ranomafana Risitorna ao Ambatovy no ivelomany


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Nangetaheta fampandrosoana efa hatramin’ny 4 taona lasa nitondrako voalohany azy ny kaominina ambanivohitr’i

Ranomafana atsinanana, faritra atsinanana, distrikan’i Brickaville, hoy ny ben’ny tanànany vaovao, Barthelemi Samuel Randrianasy, ary azo lazaina fa tratra ny tanjona mahakasika ny fanarenana io kaominina io. Matoa ny vahoaka anefa mbola niverina nametraka fitokisana amin’ny tena dia mahatsapa izy ireo fa mbola be koa no tsy vita. Eo ny famatsiana herinaratra. Eo koa ny fametrahana lisea manara-penitra amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka. Asa mbola miandry koa, hoy hatrany ny tenany, ny fanitarana ny tsena satria efa be dia be ny vahoaka mivelona amin’ny tsena ao an-toerana. Ny lafiny fahasalamana, indrindra, ary eo am-pananganana hopitaly izahay ankehitriny isak’ireo fokontany lavitry ny renivohitra. Tsy adino moa ny lalana sy sekoly satria na dia efa maro aza no vita dia mbola betsaka no tokony hamboarina. Ho mangarahara ny fitantanana satria manana ny rafitra CLC na komity ifotony ifampierana izahay. Tsy afaka manatanteraka asa ny ben’ny tanana ary tsy afaka manapa-kevitra koa ny mpanolotsaina raha tsy mandalo amin’io rafitra ivondronan’ny fokontany io. Ny CLC, hoy izy no manapaka na ny lafiny tetibola na ny fanatontosana ny fandaharan’asan’ny ben’ny tanàna. Io ihany koa no hanaovana tatitra ny asa efa vita sy mbola hotanterahana, hoy hatrany ity ben’ny tanàna vaovao ity. Nomarihiny kosa fa anisan’ny misitraka ny risitorin’ny orinasa Ambatovy ity kaominina ity ka izay no loharanom-bola ahafahana manatontosa ireo tetikasa lehibe.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT