Kaominin’i Mahajanga

Ariana any an-dranomasina ny fako


  • Talata 04 Jona 2024

Tanànan’ny fizahantany i Mahajanga. Saika mandalo ao avokoa na ireo mpizahantany

vahiny avy any am-pitan-dranomasina na koa ireo malagasy mila ravinahitra any mandalo eto, indrindra moa fa ireo mpizahantany ato anatiny. Manahirana nefa ny miheritreritra ny afitsok’ireo mpiasan’ny kaominina ao an-toerana amin’ny resaka fitantanana ny fakon’ireo mponina satria dia tsy tahotra tsy henatra fa ariana any an-dranomasina ny fako. Mpiasan’ny kaominina manao fanamiana enti-miasa sy mitondra ilay borety fakana fako iny mihitsy moa no azo sary nanao izany. Tafahoatra ve ny tsy fahafaham-po amin’ny resaka karama na tambin-karama sa inona no tena fototry ny olona fa heverina fa tena tokony handray ny andraikitra tandrify izany ny ben’ny tanàna ao an-toerana aloha!?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT