Sosialy

Kaominin’i Bongatsara Tapa-bolana tsy nisy rano…


  • Alakamisy 17 Oktobra 2019

Nanomboka tamin’ny taona 2010 no ho nankaty no efa nampikolay ireo mponin’i Bongatsara, distrikan’Atsimondrano, ny fahazoan-drano ao amin’ity kaominina ambanivohitra ity,

 

 

raha ny nambaran’ny mponina ao an-toerana. Mandeha in-droa isaky ny herinandro, amin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina izany, teo aloha. Nihena in-dray mandeha avy eo ary zary isam-bolana no niafarany. Ity volana oktobra ity moa dia tsy mbola nisy nitete, raha ny voambara hatrany. Any amin’ny 500 metatra miala amin’ny tanàna vao misy lavadrano anefa ary tsy maintsy izay no vahaolana manoloana izao fijaliana ara-drano izao, raha ny voalaza. Isan’ny mitaraina indrindra ihany koa manoloana izay olan-drano izay moa ny eny Anosizato eny satria dia rano maloto tanteraka no atolotry ny Jirama kanefa ny faktiora mitomboka hatrany, hoy ny fitarainan’ireo mponina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT