Sosialy

Kaominin’i Betafo Hanomboka ny tetikasa goavana fambolena « soja »


  • Alakamisy 07 Oktobra 2021

Miezaka ary manao ny ainy tsy ho zavatra ny ben’ny tanànan’i Betafo Atoa Livasoa Randriatahinamalala, ka mitady ireo fomba rehetra ahafahana mitondra fampandrosoana amin’ny sehatra maro.

 Taorian’ireo tetikasa maro samihafa efa natao, dia misy ny mpandraharaha hiara-hiasa amin’ny kaominina Betafo amin’ny fambolena « Soja » ao amin’ny distrikan’i Betafo, nanomboka tamin’ny jolay, ka efa nisy ny fanentanana tamin’ny alalan’ny onjam-peo, moto 5 ary biskileta 20 no hoentim-miasa ka mampanao fiofanana ny tantsaha ary hizara maimaim-poana masom-boly. Efa tonga omaly alina ny masom-boly 20 taonina ho an’ny vahoakan’ny distrikan’i Betafo sy Mandoto. Hangonina ny vokatra, amin’ny vidiny tsara ary haondrana any Eoropa, 160 00 ny tantsaha hisitraka izany, araka ny tafan’ny ben’ny tanàna taminay. Efa eo am-pelantanana ny antontam-baovao na ny « base de données » an'ireo mpamboly ireo (CIN, Telephone,…). Amin’ny sabotsy 16 oktobra izao no hatomboka amin’ny fomba ofisialy ity tetikasa fambolena Soja ao Betafo ity, araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna Livasoa Randriatahinamalala.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT