Tsy mety ireny fa manakorontana ny lamina efa napetraky ny tanàna. Iangaviana ny mba tsy hisian’ny fanakorontanana, hoy ny Lefitry ny ben’ny tanànan’Antananarivo
Mamy Rajohnson afak’omaly manoloana ny fiantsoan-dRtoa Clémence Raharinirina ireo mpitondra fiarakaretsaka haka ny fanampiana ara-tsosialy avy amin’ny fanjakana. Nokianiny ihany koa ireo lehiben’ny Koperativa. “Message” na hafatra avy amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) irery ihany, fa tsy misy ankoatra izay, hoy izy, izay naneho fa mahazo ny anjarany daholo ny rehetra. Samy manana toerana ao anatin’ny Kaominina Antananarivo Atoa Mamy Rajohnson sy Rtoa Clémence Raharinirina, saingy niharihary omaly ny fanebahana nahazo ity farany. Tsy vao izao izany, fa efa nahazo fampitandremana ity lohalisitry ny IRK tamin’ny fifidianana mpanolontsaina ity tamin’ny kihana momba tolo-dalàna mahakasika ny sazy ho an’ny fiarakaretsaka. Ao aminay misy “base des données” satria ny kaominina rahateo mamoaka ny « licence » ho an’ny mpitatitra, toy ny fiarakaretsaka kanefa misy ny hoe : sendika mivoaka avy any mitondra olona, hoy Rtoa Elia Ravelomanantsoa, tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina Antananarivo nanamafy izany omaly talata, raha nivahiny tamina fampahalalam-baovao iray. Ny « sms » avy aty amin’ny CUA ihany, kanefa misy olona mandefa hafatra hafa any ambadimbadika any. Amin’ny alalan’izay hafatra izay no hiantsoana fa tsy hoe: olona 9000 no hiara-hirohatra. Tahaka izany ihany koa ny an’ny mpanasa lamba, izay lasa fianankaviana manontolo ny sasany, hoy ny fanazavana. Na izany aza tokony harindra sy hazava amin’ny rehetra ny fanampiana. Tsy ny an’ny CUA irery ihany, fa teny Ivandry, ohatra omaly, dia tsy nanaiky niala teo amin’ny toerana firazana fanampiana ny zokiolona. Nisy resaka nilaza fa 35 isam-pokontany ihany no mahazo. Nafana ny adihevitra!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.