Sosialy

Kaominin’Antananarivo Niasa avy hatrany fa tsy niandry ny SAMVA


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Tena tezitra aho, hoy ny mpanolontsaina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Marc Ravalomanana, raha niara-nivory tamin’ireo mpiara-miasa rehetra ao amin’ny CUA notarihin’ny ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely omaly maraina.

 Hanao fanamby isika, hoy izy, fa Antananarivo madio, maha te honina, misy ny soa iombonan’ny malagasy rehetra no tanjona. Olana be ny fifandraisana amin’ny Samva sy ny ministeran’ny rano satria manao be marenina fotsiny. Tsy mba mifanantona, hoy izy, rehefa misy tsy hifanarahana. Mbola namerina niantso ny minisitry ny rano, Rolland Ravatomanga, moa izy hifanantona aminy. Nanao antso avo ihany koa ny tomponandraiki-panjakana, indrindra, ny praiminisitra handray ny andraikiny. Tsy mendrika an’Antananarivo ny hiaina anaty fako. Anaty fahavaratra isika izao. Ary mora miparitaka ny valanaretina. Mbola anaty vanim-potoam-pifidianana ihany koa. Mila tandrovina ny fandriampahalemana. Maha sorena ny olona ireny fako mibahana ireny. Mavita ny asany tsara ny mpamafa lalana saingy indrisy fa tsy misy mandroaka ny fako, hoy hatrany izy. Noho izay tsy fandraisan’ny Samva izay tokony ho tomponandraikitra amin’ny fandraofana ny fakon’Antananarivo ny andraikiny izay moa dia nanetsika ireo tompon’andraikitra isan-karazany eo anivon’ny CUA toy ireo delegen’ny boriboritany sy ireo mpiara-miasa amin’ny izy mba hanentana ny isam-paritra sy isam-pokontany hikajy ny fahadiovana sy hifanome tanana amin’ny fanajana ny fitsipika tokony harahina. Ataovy tonga eto amin’ny 8 sasany fara-faha tarany, hoy izy mantsy ireo tompon’andraikitra, ireo kamiao mpandroaka fako mba hahitana hoe mandray andraikitra isika.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT