Sosialy

Kaominin’Ambohitrimanjaka “Mafy amin’ny vehivavy ny herisetra ara-moraly”


  • Zoma 11 Martsa 2022

Hetsika maro toy ny diabe sy famondronana ireo vehivavy isam-pokontany no natao teny amin’ny kaominin’Ambohitrimanjaka ho fanamarihana ny 8 martsa lasa teo,

izay andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy. Misandrahaka, raha ny fanazavana, ny andraikitra sahanin’ireo andriambavilanitra eo anivon’ity kaominina ity. Ao ny miasa birao, ny manao asa tanana, ny mikarakara tokantrano ary mamboly sy miompy. Mbola betsaka ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy eto Ambohitrimanjaka, hoy ny sekreteran’ny boriboritany eo anivon’ity kaominina ity, Odile Razakarimanga. Ara-moraly sy toekarena io, hoy izy. Ohatra amin’izany ny hoe teraka maro ilay vehivavy nefa tsy misy fandraisan’andraikitr’ilay lehilahy fa manana ny filibany manokana ivelan’ny tokantrano ilay lehilahy. Lasa natao fakana taranaka fotsiny ilay vehivavy hany ka alaim-panahy ampiasa ilay zaza tsy ampy taona hanampy ny fidiram-bola ao an-tokantrano. Mangataka ny fitondram-panjakana izahay hanome tolo-tsaina sy tanana ho an’ireo vehivavy tsy an’asa ireo satria ny ankamaroany dia tena ianjadian’izay herisetra izay daholo, eny fa na ireo vehivavy manana anton’asa aza. Mafy amin’ny vehivavy eto ny herisetra ara-moraly. 30%n’ny vehivavy eto Ambohitrimanjaka no miasa birao dia eo amin’ny 50% eo no manao asa tena sy asa an-tselika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ireo vehivavy miadidy ny kaominin’Ambohitrimanjaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT