Sosialy

Kaominin’Ambavahaditokana 80 190 000 ariary no atokan’ny fanjakana ho azy


  • Alatsinainy 14 Martsa 2022

Hatrany amin’ny 80.190.000 ariary no tetibola atokan’ny fanjakana Malagasy ho an’ny kaominin’Ambavahaditokana ho an’ity taona 2022 ity, raha ny voarakitra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2022,

 hoy ny tatitry ny solombavambahoaka voafidy teny amin’ny distrikan’Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy, nandritry ny fitsidihany ny CEG Amboatavo, izay hany tokana ao amin’ity kaominina ity ny faran’ny herinandro teo. Vokatry ny ady atao eny amin’ny antenimieram-pirenena ho an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, hoy izy, no nahafahana nahazo izany famatsiam-bola izany mba hahafahana ihany koa manarina sy manangana ireo fotodrafitrasa ilaina anatina kaominina iray. Ity CEG ity izao, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Jean Louis Ratoetrarinianja, dia efa tery dia tery ka antony anaovana antso avo amin’ny fitondram-panjakana mba hijery ny azo atao hanampiana azy mba hahafahan’ny zaza Malagasy ho tafiditra anatina sekoly. Ohatrinona moa izao ny mampiditra zaza iray amina sekoly tsy miankina? Tsy ny ray aman-dreny rehetra no mahazaka izany raha mainka ka zaza miisa 3 ohatra. Ity misy ny CEG ity izao dia tanim-panjakana anaty velarantany 1700m2 ary azo anaovana foto-drafitrasa lehibe na mbola sekoly miisa 2 aza. Eo amin’ny 650 isa izao no mpianatra zaka ato ary amina efitrano fianarana miisa 7 nefa tokony hahatratra hatrany amin’ny 1500 any. Tsy manana Lisea I Ambavahaditokana. EPP miisa 4 anaty fokontany miisa 6 kosa no ato, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tananan’Ambavahaditokana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT