Sosialy

Kaominin’Alasora Mbola mila ezaka ny fanomezana rano ny mponina


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Mbola mahatratra 16 tapitrisa hatreto ny isan’ireo Malagasy mbola tsy misitraka rano fisotro madio manerana ny Nosy.

Voakasik’izany ny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy izay hitoeran’ny haintany lalandava. Fa tsy latsa-danja amin’izany ny eto amin’ny faritra Analamanga izay tena mbola misy faritra mijaly rano tokoa. Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy tamin’ny mpanao gazety omaly. Ny 70%-n’ireo mponina ao aminy hatreto no misitraka rano fisotro madio. Na izany aza dia nambarany fa isan-jato fotsiny ihany io fa amin’ny ankapobeny tena mijaly rano ny mponina. Tapa-dava mantsy ny rano eny amin’iny faritra iny ka misy amin’ireo tokantrano sasany no voatery matsaka rano amin’ny 12 ora alina. Ankoatra izay hoy izy dia ireo faritra iva ihany no tena mahazo ny ranon’ny JIRAMA fa ireo faritra avo rehetra dia mihahaka avokoa. Saika voasariky ny faritra ambany avokoa mantsy ireo rano vatsian’ny JIRAMA ka tsy misy tafakatra any ambony. Efa nolazaina ihany ny JIRAMA hoy izy mba tsy hampiditra rano ho an’ireo tokantrano ao amin’ny faritra iva aloha mandrapaha saingy vao mainka mitohy izany. Nanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny rano ny kaominina Alasora omaly niarahany tamin’ny fikambanana Kolorano. Ankoatra ny fizarana rano maimaimpoana ho an’ny isan-tokantrano nandritra ny tapak’andro maraina dia nisy ihany koa ny fambolen-kazo notarihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy.


Marihina moa fa ny 95 %-n’ny malagasy no manana olana amin’ny fisitrahana rano ho amin’ny fanadiovana sy fidiovana. Ny 20 tapitrisa amin’ireo Malagasy 27 tapitrisa ihany koa no tsy manana toerana fanasan-tànana nefa tokony ho laharam-pahamehana izany na ho an’ny fahasalamana na ho an’ny fiainana ankapobeny fotsiny.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’Alasora namboly hazo omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT