Sosialy

Kaominina Tsiafajavona Nahazo dabilio ny EPP ao Ankofafa


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Na dia 23 km miala ny renivohitr’Ambatolampy aza no misy ny kaominina Tsiafajavona dia tsy nanadino ireo mponina sy ireo kilonga madinika manovo fahalalana ao an-toerana ny orinasa Star amin’ny alalan’ilay tetikasa fiahiana ny maha olona.

 

 

 Famalifaliana ireo ankizy madinika niampy fanolorana dabilio miisa 40 ho an’ity sekoly ambaratonga fototra iray ity no notanterahin’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Efitrano maromaro no nahazo tombontsoa raha efa nametrahan’izy ireo toerana telo hahafahana mantsaka rano ihany koa ao amin’ny fokontany Tsangambaton’ny Ntaolo hahafahan’ny mponina misitraka ny rano fisotro madio. Tsy diso anjara amin’izany ny CSB II ao Tsiafajavona izay namboarina ny varavarany, nolokoina ihany koa ny ivelany raha nampianarina nandray olona ihany koa ireo mpandray marary isan-tsokajiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT