Sosialy

Kaominina Tanjombato Olona 600 no nozaraina kopia mari-pahaterahana


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Olona miisa 600 avy amin’ireo Fokontany 5 ao anatin’ny Kaominina Tanjombato, distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly no nozaraina kopia mari-pahaterahana maimaim-poana.

Vokatry ny ezaka nataon’ny kaominina, notohanan’ny mpiara-miombon'antoka dia ny OIF na ny organisation Internationale de la Francophonie no nahafahana nanatanteraka izany. Tanjona ny hahafahana manaja ny zon’ny tsirairay amin’ny maha-olombelona feno azy. Ny fananana kopia mari-pahaterahana ohatra dia tena antoka feno ho an'ny olona manomboka amin'ny fahazazany ka hahafahany mandia ny varavaran-tsekoly. Ny kopia ihany koa no hahafahany maka ny karam-panondro rehefa tonga eo amin’ny faha-18 taonany hahafahany manefa ny adidiny amin’ireo karazana fifidianana tanterahina eto amin’ny firenena. Hahafahan’ny olona iray miasa ihany koa ny fananany karapanondrom-pirenena.Kaominina maro eto amin’ny Faritra Analamanga moa no hanatanterahana izao hetsika izao. Ny OIF hatrany no hanohana sy hanampy amin’ny fanatanterahana izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny kopia omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT