KAOMININA TANJOMBATO

Hatao filamatra amin'ny fahadiovana


  • Talata 23 Septambra 2025

Hatao filamatra amin'ny fahadiovana ny kaominina Tanjombato,

distrikan'Atsimondrano. Nanatanteraka asa fanadiovana faobe izy ireo ny faran'ny herinandro teo niarahany tamin'ny Ministeran'ny Tontolo iainana. Ny fahadiovana mantsy no antoky ny fahasalamana hoy ny Ben'ny tanana ary rehefa salama ny olona dia afaka mandroso. Ankoatra ny fanentanana ny mponina mba hanaja ny fahadiovana dia nametrahana toerana hahafahana manangona ireo fako plastika toy ny tavoahangy sy harona sachet.. avokoa ireo Fokontany miisa 5 mandrafitra ity kaominina iray ity. Niarahany tamin'ny orinasa SFOI eny Tanjombato izany. Hovidian'ireto farany izay fako plastika rehetra voahangona mba ho loharanom-bola fanampiny ho an'ny isan-tokantrano. Tsiahivina moa fa mahatratra 4 taonina isan'andro ny fako mivoaka ao amin'ny kaominina Tanjombato. Ny 500 kg amin'ireo dia fako plastika avokoa izay ezahiva havadika ho akora hafa sy vaovao azo hampiasaina indray. Mitohy isam-bolana ny asa fanadiovana faobe tanterahina ao Tanjombato Atsimondrano.
Pati
Légende : Ny Ben'ny tananan'ny Kaominina Tanjombato Rakotoniaina Frédéric !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT