Sosialy

Kaominina Tanambao-Daoud Tafakatra 30.000Ar ny saran’ny fanamboarana kopia nahaterahana


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Mafy ny mahazo ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra any amin’ny kaominina ambanivohitra Tanambao-Daoud, distrikan’i Sambava.

Tafakatra hatrany amijn’ny 30.000 Ar mantsy ny saran’ny fanamboarana kopia mari-pahaterahana ho an’ny zaza iray ny zoma 02 jolay lasa teo. Mba tsy hiandrasan’ireo olona mila taratasy ela no voalaza fa antony mahatonga izany raha araka ny fitantaran’ireo olona niharan’izany. Miaraka amin’ny dika mitovy roa io notakiana 30.000 Ar io raha tiana ho vita maika izany. Tsy nanan-tsafidy araka izany ireo Ray aman-dReny voakasika fa voatery nandoa io volabe io noho ny hamehana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT