KAOMININA TALATAMATY

Olona 60 isa nomen'ny Ravinala Airports fanampiana


  • Zoma 19 Desambra 2025

Manga ny fiaraha-miasan'ny kaominîna

Talatamaty tarihin'ny Ben'ny tanana Raharinoasy Elie Dominic sy ny Ravinala Airports. Olona sahirana sy voasokajy ho marefo miisa 60 ao anatin'ireo Fokontany miisa roa dia ny Fokontany Mamory sy Fitroafana no notoloran'izy ireo fanampiana omaly Alakamisy 18 Desambra noho ny fahatongavan'ny Fetin'ny Noély sy ny faran'ny taona. Ankoatra ny fotsim-bary dia notolorana menaka sy paty ihany koa izy ireo. Nambaran'ny Ben'ny tanana Elie Dominic fa santatra am-bava rano ihany izao hetsika natao izao. Mbola hitohy amin'ny herinandro mantsy izany ka olona manodidina ny 3000 isa no ezahina hahazo tombontsoa manerana ireo Fokontany miisa 12. Ny mba hahafahan'ny tokantrano tsirairay avy manao fety sambatra no tanjona na dia tena mahafa-po 100% aza. Nifanindry an-dalana tamin'ny fizarana izany fanomezana izany moa ny fanolorana loka ho an'ireo mpianatra mendrika indrindra tamin'ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC farany teo tao Talatamaty. Mikasika ny fiatrehana ny fety manokana moa dia ho hentitra ny fiaraha-miasan'ny kaominîna sy ny mpitandro ny filaminana ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany mialoha sy mandritra ary aorian'ny fetin'ny taom-baovao 2026.
Pati
Légende : Ny Ben'ny tanana Elie Dominic nanolotra ny fanampiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT