KAOMININA TALATAMATY

Nojerena manokana ireo zokiolona


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Toy ny fanaony isan-taona dia tsy manadino ireo zokiolona sy sahirana ary olona manana

fahasembanana ao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty Raharinoasy Elie Dominic amin’izao ankatoky ny Fetin’ny Asaramanitra izao. Miisa 2.500 izy ireo no nisitraka izany afak’omaly Sabotsy 22 Jona, hetsika notanterahina nanerana ireo Fokontany 12. Ankoatra ny vary, ny siramamy,ny vovon-tsavony, ny paty dia notolorana solom-bodiakoho ihany koa ireo zokiolona. Izany no natao raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana dia ho tamberin'andraikitra ho an'ny vahoakan'ny Kaominina ary koa koa valim-babena ho an'ireo Ray aman-dReny nahitana masoandro. Natrehin’ireo mpanolontsain’ny tanana sy ireo mpiara-miasa rehetra ary ny sefom-pokontany moa ny hetsika, notarihin’ny Ben’ny tanana.
Pati
Legende : Fatra-panaja ny zokiolona ny Ben’ny tananan’i Talatamaty !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT