Sosialy

Kaominina Talatamaty Niavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona


  • Zoma 28 Jona 2019

Toy ireo kaominina hafa manodidina dia nankalaza ny fetim-pirenena 26 jona tao anatin’ny hafaliana tanteraka ny kaominina Talatamaty. Niavaka ny hetsika raha oharina tamin’ny taon-dasa.

 

 

 

 

Nahatratra 64 isa mantsy ireo sekoly nandray anjara, notronin’ireo fikambanana maro samihafa. Toraka izany koa ireo mpiasan’ny kaominina izay nanatevina ny filaharana sady naneho ny talentany tamin’ny alalan’ny dihy. Tsy latsa-danja ny  fisiana ankizivavy kely iray nampiseho ireny lalao niharo  dihy Hula hoop mampiasa ireny cerceau ireny. Niezaka nitondra ny fahaiza-manaony ihany koa ireo mpianatra avy amin’ny sekoly hafa tamin’ny alalan’ny fomba fitafy isam-paritra mampiavaka antsika eto Madagasikara. Nofaranana tamin’ny fizarana loka ho an’ireo fokontany nahavokatra betsaka sy tsara indrindra tao anatin’ilay hetsika santa-bokatra izany, notarihin’ny Ben’ny tanàna Rado Razafindratsimba.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT