Sosialy

Kaominina Talatamaty Miroso ny asa, 300 tapitrisa Ar ny ambim-bava


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Anisan’ny kaominina voasokajy ho matanjaka ny kaominina Talatamaty ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo.

Ankoatra ireo foto-drafitrasa marobe vita tao anatin’ny 2 taona sy tapany nitondran’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic mantsy dia marobe koa ireo foto-drafitrasa mbola hotanterahiny, fampanantenana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra. Mahatratra 300 tapitrisa Ar ny ambim-bava eo am-pelatanan’ny kaominina ankehitriny.
FAHAIZA-MITANTANA
Nizara ny tsiambarantelony mikasika io fananany ambim-bava be dia be io ity Ben’ny tanana iray ity nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Nambarany fa ny fahaiza-mitantana tokana ihany no nahafahany nivoaka tamin’izany. Najanona avokoa hoy izy ny fandanindaniam-poana rehetra fa izay tena maika sy ilaina ihany no natao indrindra fa ireo mahakasika mivantana ny fiainam-bahoaka sy ny filany. Volam-bahoaka mantsy hoy izy no miditra ao amin’ny kaominina ary tokony hisy ny tamberim-bidy miverina any amin’izy ireny izany. Anisan’ny asa vitany ary notanisainy teo imason’ireo solombavambahoaka roa voafidy lany tao anatin’ny distrikan’ Ambohidratrimo ohatra ny fametrahany ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro manerana ireo Fokontany 12 hahafahana manazava ny tanana sy miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Miisa 300 no efa voapetaka hatreto izay volan’ny kaominina madiodio avokoa. Toraka izany koa ny fanarenana ireo karazana foto-drafitrasa toy ny sekoly, ny lalana….Na dia teo aza ny valan’aretina Covid 19 hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity dia niezaka hatrany ny kaominina nitsitsy ny teo am-pelatanana sy nanao izay vita.
MBOLA BETSAKA NY ASA MIANDRY
Na izany aza dia mbola betsaka ny asa miandry azy hoy hatrany ity Ben’ny tanana iray ity. Vitaina hatao rarivato avokoa ohatra ny lalana manerana ny Fokontany 12, havaozina iray manontolo ihany koa ny biran’ny kaominina, hovatsiana fitaovana ara-informatika avokoa ny isam-pokontany, hamboarina ny tsena, foto-drafitrasa izay nomarihiny fa mahakasika ny fiainam-bahoaka amin’ny andavanandro avokoa. Hasiana jiro ihany koa ireo Fokontany mbola tsy manana izany. Ny tena olana mantsy hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity dia tsy misy fampandrenesana ny amin’ny fahatapahan-jiro mialohany hataony mihitsy ny JIRAMA. Mijaly ny vahoaka noho izany hoy izy. Ho an’ireo karazana foto-drafitrasa vao hapetraka indray anefa hoy izy toy ny panneaux solaires dia hangalarin’ireo tsy tia fampandrosoana izany ka tsy mmaintsy hanaovana fanentanana mafimafy mihitsy.
FETIBE
Tsiahivina moa fa tena fetibe no namaranan’ny kaominina Talatamaty ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona ny Sabotsy teo. Nisy mantsy ny filaharambe namakivaky ny tanana nandraisan’ireo orinasa, fikambanana ary mpianatra anjara nandritra ny ora iray teo ho eo. Narahin’ny fizarana loka ho an’ireo nivoaka ho mpandresy tamin’ny fifaninana nokarakarainy izany ka anisan’ireny ny Miss et mister, ny lalao tsipy kanetibe, ny lalao baolina kitra, nitohy tamin’ny fizarana fanampiana ho an’ireo sahirana, hetsika izay nofaranana tamin’ny alim-pandihizana faobe. Fiaraha-misakafo niaraka tamin’ny vahoakan’i Talatamaty kosa no no namaranan’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic ny lanonana omaly izay marihina fa mbola vokatry ny ezaky ny kaominina avokoa.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny amboara ho an’ireo nivoaka ho mpandresy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT