Sosialy

Kaominina Talatamaty Miakatrabe ny rano, mitombo isa ireo traboina


  • Zoma 28 Janoary 2022

Raha efa manomboka midina ny rano nateraky ny ora-nikija teto amintsika ho an’ireo kaominina sasany dia vao mainka miakatra kosa izany ho an’ny kaominina sasany,

 antony mampitombo isa hatrany ireo traboina. Anisan’ireny ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Elie Dominique omaly. Any amin’ireo Fokontany telo dia Imerinafovoany, Tanjondava ary Ankadivoary avokoa mantsy no mifatratra amin’izao ny rano avy ao Ikopa sy Imamba ary ny avy any amin’ny faritra ambony rehetra hany ka tena sahirana ny mponina. Vokany, raha miisa 150 ireo traboina teo aloha dia efa mahatratra 350 ankehitriny, antony manosika ny Ben’ny tanana tsy mitsahatra ny mitsirika sy midina ifotony eny anivon’ireo Fokontany maro samihafa. Tamin’ny alarobia teo ohatra dia tonga nihaino mivantana ny olana sedrain’ny mponina vokatry ny ranobe izy sy ireo mpiara-miasa aminy no sady nitondra izay voatsirambin’ny tanany ihany koa. Ho an’ireo tsy maintsy nandao ny trano fonenany moa dia efa napetraka ao amin’ny EPP iray ao an-toerana izy ireo. Mbola nitohy omaly izany fidinana ifotony izany izay mbola nitondrana paty sy fotsim-bary ihany koa ho an’ireo izay mbola tsy nahazo ny anjarany hataony sakafo. Marihina moa fa efa mitady vahaolana ny amin’ny hametrahana ireo traboina ireo ny kaominina Talatamaty amin’izao mialohan’ny hidiran’ny mpianatra amin’ny alatsinainy 31 janoary. Efa nandefa tatitra eny anivon’ny BNGRC sy ny Ministera isan-tsokajiny ihany koa izy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny fidinana faharoa sy ny fizarana fanampiana notanterahin’ny Ben’ny tanàna omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT