Sosialy

Kaominina Talatamaty Mety hisy ny fanaovana “audit”


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Mbola ao anatin’ny fandaminana tanteraka ny kaominina Talatamaty ankehitriny.

 

 

Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ireo zava-nisy tamin’ny fotoana nitantanan’ny ben’ny tanàna teo aloha ka raha ilaina, hoy ny vaovao Atoa Elie Dominique dia mety hiroso amin’ny fanaovana “audit” izy ireo. Anisan’ny ezaka goavana nataon’ity ben’ny tanàna vaovao ity ohatra ny fanalana ny fako nivangongo izay tena nampitaraina ny mponina tokoa toy ny teo Bel’air izay amoron’arabe sady namoaka fofona izay lasa toerana tsy azo hanariana fako intsony. Kamiao telo no tokony hitatitra izany saingy namidin’ny teo aloha ny iray raha simba avokoa ny roa ambiny. Efa misy, hoy hatrany Atoa Elie Dominique ny tetiandro amin’ny hakana ny fako isaky ny faritra na ny fokontany saingy mandra-pilamin’ireo fiara lehibe mpitatitra aloha dia hatao izay mety. Mikasika ny fanalana ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina moa dia nanambara ity ben’ny tanàna ity fa tsy tokony hampidirina amin’ny resaka mpiasa ny resa-politika. Ho azy manokana dia tsy manana olana amin’ireo mpiasa eo ambany fiadidiany izy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT