Hohatsaraina ny fitantanana ny tsena eo anivon’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy ny ben’ny tanana Atoa Elie Dominique omaly.
Ankoatra ny fijerena ireo fanatsarana tokony hatao dia nanatontosa fifanakalozan-kevitra niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ihany koa ny tenany mba hanatsarana ny fomba fitantanana ny tsena. Izany no natao dia mba hialana amin’ny fanapahana mety tsy hankasitrahan’ny vahoaka sy ahitana ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa tonta. Tokony hisy hatrany mantsy amin’ny ankapobeny ny fakana ny hevitr’ireny mpivarotra ireny rehefa misy tetikasa na fanamboarana tokony hotanterahina. Marihina moa fa olona an’aliny no mivelona amin’ny asa fivarotana ho an’ny kaominina Talatamaty. Ankoatra ny tsena lehibe dia manana ny tsenan’ny tantsaha ihany koa izy ireo izay fivarotan’ireto farany ny vokatry ny tany misy ao aminy.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tananan’i Talatamaty nidina ifotony teny an-tsena omaly maraina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.