KAOMININA TALATAMATY

Hizara fanampiana ho an’olona 2.500 isa


  • Talata 26 Desambra 2023

Toy ny fanaony rehefa mifarana tahaka izao ny taona dia tsy manadino ireo olona sahirana

sy niangaran’ny vintana ao aminy ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo tarihin’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic. Amin’ity taona 2023 ity dia amin’ny datin’ny 29 Desambra ho avy izao no hanatanterahany izany, hitetezany ireo Fokontany miisa 12. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana dia olona manodidina ny 2500 no hozaraina fanampiana mandritra izany. Lohalaharana amin’ireo ireo olona sahirana miisa 100 isam-pokontany izay omena vary, paty…arahin’ireo olona manana fahasembanana izay ny sefom-pokontany no miara-miasa amin’ny kaominina amin’ny fijerena azy ireny. Toraka izany koa ireo zokiolona miisa 600 izay hotolorana solombody akoho. Tsy latsa-danja amin’izany ireo mpiasan’ny kaominina, ny kartie mobila….Izany no natao moa dia noho ny fahatsapan’ity Ben’ny tanana ity fa tena sahirana ny isan-tokantrano. Iriany araka izany ny mba hanaovan’ireo mponina ao amin’ny faritra iadidiany fety sambatra araka izay azony zaraina. Toraka izany koa ny Malagasy rehetra. Tsiahivina moa fa ankoatra izao fizarana fanomezana izao dia hetsika maro no efa notanterahina tao amin’ny kaominina Talatamaty nentina nanamarihana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Efa nisy ohatra ny fifaninana tsipy kanetibe izay niarahana tamin’ny klioba PCT nandraisan’ireo ekipa manerana ny Fokontany 12 isa. Nisy ihany koa ny lalao baolina kitra nandraisan’ireo vehivavy sy lehilahy anjara nofaranana afak’omaly Alahady 23 Desambra….
Pati
Legende : Efa fanaon’ny kaominina isan-taona ny mijery ireo sahirana ao amin’ny faritra iadidiany tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT