Sosialy

KAOMININA TALATAMATY Hizara fanampiana ho an’olona 2.000


  • Talata 28 Desambra 2021

sy ny faran’ny taon Hizara fanampiana ho an’olona 2.000 isa mahery ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo amin’ity herinandro ity noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noelya.

Ny 600 isa amin’ireo dia zokiolona sahirana avokoa notsongaina avy amin’ireo Fokontany miisa 12 raha sahirana ara-pivelomana kosa ny 1400 isa ambiny. Ankoatra ny fotsim-bary sy ny menaka dia hozaraina vatomamy sy bisikoitra ihany koa izy ireo ho fifanomezan-tanana amin’izao fetin’ny Asaramanitra izao. Nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominique fa hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona ny tahaka izao. Mikasika ny ady hatao amin’ny valan’aretina COVID 19 manokana dia fantatra fa tsy mitsahatra ny manentana ny mponina sy manao izay azony hatao ny kaominina Talatamaty. Anisan’ireny ny fanajana ny elanelana 1 metatra, ny fanaovana arovava orona ankoatra ny fanasan-tanana amin’ny savony izay hahafahana misoroka karazan’aretina betsaka toy ny gripa sy ny tazo mahery ary ny aretim-pivalalana.
Pati
Legende : Raharinoasy Elie Dominique, Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT