KAOMININA TALATAMATY

Hiompana amin'ny fanasoavana


  • Zoma 23 Janoary 2026

ny mponina ny asa hatao amin'ity taona ity

Hiompana amin'ny asa fanasoavam-bahoaka manerana ireo Fokontany miisa 12 mandrafitra azy ny asa hosahann'ny kaominîna Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo amin'ity taona 2026 ity. Hisantarana izany ny fanatsarana ny asa hatolotra ireo mila raharaha eo anivon'ny kaominîna. Hohafainganina hatrany ny fomba fiasa hoy ny Ben'ny tanana Raharinoasy Elie Dominic mba tsy handany fotoana ireo olona tonga mikarakara antontan-taratasy. Hojerena ihany koa ireo Fokontany mbola tsy ampy jiro hahafahana miady amin'ny tsy fandriampahalemana. Efa niezaka ny kaominîna hatramin'izay raha ny nambarany ary mbola ezahina hotohizana hatrany izany. Tsy latsa-danja amin'io ny fanamboarana ireo lalan-kely isam-pokontany ho fiarovana ny ain'ny mponina, indrindra amin'izao fotoam-pahavaratra izao. Farany izay tsy kely akory dia vonona ny hanolo-tanana hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana ao amin'ny Faritra misy azy hatrany ny Ben'ny tanana sy ny ekipany ho tombontsoan'ny zana-bahoaka. Marihina moa fa efa vita ny biraon'ny kaominîna Talatamaty vaovao vao naorina ary sampan-draharaha maro no efa mifindra miasa ao. Hotokanana tsy ho ela ny foto-drafitrasa, raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Raharinoasy Elie Dominic.
Pati
Légende : Izy no Raharinoasy Elie Dominic, Ben'ny tananan'ny kaominîna Talatamaty !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT