Sosialy

Kaominina Talatamaty Hahazo toerana daholo ireo mpivarotra amoron-dalana


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Vita ny asa fanorenana ny tsena vaovaon’ny tantsaha, nampitondraina ny anarana hoe : tsena Fivoarana ao amin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

 Ny  Vondrona Eoropeanina no anisan’ny namatsy vola ny asa rehetra izay manamorona iny lalam-pirenena fahefatra iny. Anaty faritra voafefy no misy azy. Ankoatra ny tsenan’ny tantsaha izay mahazatra eo amin’ity toerana ity  dia natao indrindra hanomezana toerana ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra ny tsena Fivoarana, mahazaka mpivarotra an-jatony. Ankoatra ny tsena dia nambaran’ny Ben’ny tanàna Rado Razafindratsimba ihany koa fa nasiam-panamboarana ny zaridaina lehibe eo afovoan’ny tanànan’i Talatamaty. Ny 27 septambra  ho avy izao no  hotokanana amim-pomba ofisialy ireo fotodrafitrasa rehetra ireo izay natao indrindra hanomezana endrika ny tanàna  sady ho tombontsoan’ny mponina eny an-toerana. Arahina fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa nahavita be, indrindra tao amin’ny kaominina Talatamaty izany.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT