Sosialy

Kaominina Talatamaty Hahazo fanampiana ireo zokiolona sy sahirana


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Andro vitsivitsy maromaro sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona isika.

Betsaka anefa ireo tsy mba afaka mitsena izany amim-pifaliana noho ny hasarotan’ny fiainana sy ny fahasahiranana. Ho an’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo dia fantatra fa hijery manokana sy hitsinjo ireo sahirana manerana ny Fokontany 12 ao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic sy ny ekipany. Hisy ny fizarana fotsim-bary, menaka, paty, siramamy ho an’ireo sahirana. An-jatony ireo hisitraka izany. Toraka izany ihany koa ireo zokiolona izay fantatra fa hatolorana solombodiakoho. Manodidina ny 50 isam-pokontany eo ho eo izy ireo no hisitraka izany, indrindra fa ireo mihoatra ny 65 taona rehetra. Ho an’ity farany manokana moa dia nomarihin’ny Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty fa ireo mbola tsy nisitraka solombodiakoho tamin’ny fetin’ny 26 Jona no hahazo izany indray. Hampifandimbiasina ny fizarana fanampiana hoy izy mba samy hahazo tombontsoa avokoa ny rehetra.
Pati
Legende : Mahatsiaro hatrany ireo zokiolona sy sahirana i Raharinoasy Elie Dominic, Ben’ny tanànan’ny kaominina Talatamaty
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT