Sosialy

Kaominina Talatamaty Afa-po tamin’ny ezaky ny Ben’ny tanàna ny tantsaha


  • Talata 20 Desambra 2022

Mbola voasokajy ho ao anatin’ny kaominina ambanivohitra ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Ny 40 na ny 50% -n’ireo mponina ao dia mbola tantsaha mpamokatra avokoa antony hanohanan’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic azy ireo. Tantsaha mpamokatra sy mpiompy miisa 23 indray ny faran’ny herinandro lasa teo no notolorana fitaovam-pamokarana. Efa andiany fahaefatra ity hetsika ity raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana hatramin’ny nitantanany ny tanana. Tanjon’ny kaominina ny mba hahafahan’ireo tantsaha mpamokatra mamokatrabe tokoa no sady manara-penitra. Ankoatra ny fiofanana omena azy ireo mantsy dia notolorana masomboly vary koa izy ireo, fanafody famonoana bibikely ankoatra ireo fitaovana goavambe toy ny charculeuse….Ny kaominina avokoa no niantoka ny vola nividianana izany raha ampahany kely monja no averin’ireo tantsaha. Mijanona ho an’ireto farany madiodio ny fitaovana rehetra aorian’izany. Nomarihin’ny Ben’ny tanàna fa tratrany ny fanambiny ho an’ireo tantsaha mpamokatra ao Talatamaty. Mbola ho arahin’ny kaominina maso ifotony koa mantsy ny fomba fampiasan’izy ireo ireny fitaovana ireny…ka hisy mihitsy ny teknisiana hanoro hevitra ho an’ireo mila izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT