Sosialy

KAOMININA TALATALATY Notsirihina ireo mpanary rano maloto eny amin’ny lakan-drano


  • Alarobia 31 Aogositra 2022

Tsy azo atao ary voararan'ny lalàna ny fanariana rano maloto eny amin'ny lakan-drano fandehanan'ny ranon'orana. Mbola betsaka anefa ireo tokantrano manao izany fa tsy miezaka ny manamboatra puisard

mba hivarinan’ny rano maloto avy ao aminy. Manoloana izany indrindra dia nidina isaky ny elakelantrano ireo teknisianina sy ireo zandarimaria ao Talatamaty ary ireo tompon’andraikitry ny kaominina omaly. Anisan’ny asa nataon’izy ireo tamin’izany ny nanentana ny olona mba hanao "puisard", indrindra amin’izao ankatoky ny fotoam-pahavaratra izao. Izany no natao mba hiarovana ny fotodrafitr'asa iombonana. Raha sanatria ka tsentsina mantsy ireny lakan-drano fivarinan’ny ranon’orana ireny indrindra raha tratran’ny sachet plastika sy ireo karazam-pako mavesatra avy any an-tokantrano dia ho tonga ho azy ny tondra-drano ary ireo vahoaka manao izany ihany no hifoteran’ny rambony. Ankoatra ity fitsirihana lakan-drano ity moa dia fantatra fa nalana daholo ihany koa ireo fako nivangongo tao amin’ity kaominina iray ity. Ny Governora’ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa no nanome ny fitaovana nentina nanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’ny fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra avokoa moa izany ankoatra ny fitandroana ny resaka fahadiovana.

Pati
Legende : Nandritra ny fitsirihana ireo lakandrano notanterahin’ireo teknisiana omaly.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT