Sosialy

Kaominina Morarano Gara RN 44 Hiharan’ny didin’ny be sandry ny saribao vokarin’ny mponina


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Araka ny fitarainana ataon’ny mponina any an-toerana dia heno izao fa noraofin’ny andian’olona milaza ho mpiasan’ny Fanalamanga miaraka amin’ny vatana zandary vitsivitsy tsy nampiseho taratasy mazava nanomboka tamin’ny alakamisy 1 novambra nitohy omaly zoma 2 novambra 2018 ny saribao novokarin’ny olon-tsotra monina ao Amboarabe fokontanin’i Marofody

 

kaominin’iMorarano Gara RN 44 izay mazava loatra fa tafiditra ao amin’ny faritr’ity orinasa Fanalamanga. Avy amin’ny ala novolen’ireto olon-tsotra ireto araka ny fifanarahana tamin’ny orinasa Fanalamanga efa taloha elabe izany. Mbola miampy fandrahonana fanagadrana an’ireo tompona  saribao nalaina ireo izany. Ny hany fanampim-baovao azo ihany koa dia ny filazana ireto andiana olona ireto fa hoe : iraka avy amin’ny Tale Jeneralin’ny orinasa Fanalamanga izy ireo. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : sao dia misy hifandraisany amin’ny resaka politika ao anatin’izao fanatanterahana ny fampielezankevitra izao ity resaka ?

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT