KAOMININA MAHEREZA

Omen'ny Sinoa fiofanana


  • Alarobia 26 Aogositra 2026

ireo tantsaha mpamokatra

Kaominina iray ao anatin'ireo 20 isa mandrafitra ny Distrikan'Ambohidratrimo ny kaominina Mahereza. Toerana tena mamokatra izy amin'ny ankapobeny no sady maro tantsaha. Tao anatin'ny 48 taona niforonany dia sambany no nandray ny fitsidihan'ny Masoivoho vahiny ny Ambasadaoro Sinoa JI Ping monina sy miasa eto amintsika ity kaominina iray ity, andro vitsy lasa izay. Nitafa mivantana tamin'ny vahoakan'i Mahereza sy ireo Ben'ny tanana manodidina toa an' Ambohidratrimo, Alakamisy, Ampangabe, Fenoarivo.....izy nandritra izany ka nilazany nandritra ny lahanteny nataony fa vonona ny tenany hiara-kiasa akaiky amin'ny Firenena Malagasy indrindra fa eo amin'ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena ho fanohanana ireo tantsaha.Ho an'ny kaominina Mahereza manokana dia hisy ireo teknisiana Sinoa ho avy hanome fiofanana ireo tantsaha mpamokatra atsy ho atsy. Tsy adinon'ity Ambasadaoro ity nandritra izany ny nanentana ny Solombavambahoaka Johnny Rakotoarisoa voafidy tao Ambohidratrimo mba hilofo bebe kokoa amin'ny fanatsarana ny fambolena any amin'iny faritra iny. Toraka izany koa ny asa fanatsarana sy fanamboarana ny lalana mba hahafahan'ny olona sy ny vokatry mifamezivezy. Efa misy moa ny lalam-barotra vaovao natsidiky ny Ambasadaora Sinoa momba ny voly voanjo sy ny fiompiana ondry, entina hanohanana ireo kaominina ireo.
Pati
Légende : Nampitondraina ireo voasary vokatry ny tany avy ao Mahereza ny Ambasadaoro Sinoa JI Ping !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT