Sosialy

Kaominina Ivato Tsy manana olana amin’ny fandraisana ilay tetikasan’ny filoha


  • Talata 19 Febroary 2019

Tsy manana olana amin’ny fandraisana ireo tetikasan’ny filoham-pirenena ny kaominina Ivato, raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa omaly.

  

Faniriany ny hananganana ilay building sy trano mora ao amin’ny faritra iadidiany amin’ny vavahadin’Antananarivo an’Ivato. Hiteraka fampandrosoana goavana ho an’ny tanàna mantsy izany, hoy izy sady hanome asa marobe ny mponin’Ivato ihany koa. Ny fampandrosoana ny tanàna izao no tena imasoana. Na iza na iza mpitondra tonga eo dia tsy maintsy hajaina sy hiaraha-miasa ho tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa. Nomarihiny manokana fa tsy misy idiran’ny politika ny asa fampandrosoana. Mikasika ilay tsena vaovao vao natsangana ao amin’ity kaominina ity dia fantatra fa ho vita tsy ho ela izany. Amin’ny faramparan’ny volana any ho any no mety hotokanana ny fotodrafitrasa raha tsy misy ny sampona ka hiroso amin’ny fizarana izany avy hatrany ny kaominina.

 

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT