Sosialy

Kaominina Ivato Tsy afaka handefa maimaimpoana ny CAN indray


  • Talata 18 Jona 2019

Ho fanajana ny fifanarahana manokana teo amin'ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny CAF, momba ny fandefasana ilay lalao fifaninanana baolina kitra CAN 2019 hatao any Egypta,

 

 

 

 hanomboka ny zoma 21 jona  dia fantatra fa tsy afaka handefa izany maimaimpoana ho an’ireo mponina ao aminy indray ny  kaominina Ivato. Maneho ny fialan-tsiny amin’ireo izay efa nanantena  ny ben'ny tanàna, Penjy Randrianarisoa. Tsiahivina fa   saika hotontosaina  ao amin'ny tranompokonolona Ivato  sy ny fokontany samihafa ao an-toerana ity fijerena mivantana ny CAN 2019 ity ho fitsinjovana ireo tsy manana fahitalavitra sy ireo te hanatrika miaraka amin’ny namany. Miantso ny rehetra anefa izy hiara-kientana sy hanohana am-po ny ekipam-pirenena Barea tsy handraraka ilo mby an-doha ny voninahi-pirenena.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT