Sosialy

Kaominina Ivato Tratra ireo nivarotra vary lafobe


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Hentitra ny fanaraha-maso ireo mpivarotra manararaotra mampiakatra ny vidim-bary sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ao amin’ny kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo.

 

 

 

Nidina ifotony nijery izany mihitsy ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa ny sabotsy teo no sady nanentana ireo mpivarotra mba tsy hanararaotra ny fahoriam-bahoaka. Taorian’izay dia nanentana ny mponina sy nizara tampim-bava ho an’ireo mpivarotra rehetra tao an-tsena ny tenany ho fiarovana ny fiparitahan’ny coronavirus. Mikasika ilay tsena mora manokana moa dia nomarihiny fa tsy maintsy mahazo avokoa ny rehetra ka vary 3 kg sy menaka 1 litatra isan’olona no hozaraina amin’izany saingy tsy maintsy manaja ilay fakana hafanana, ny fanosorona gel amin’ny tanana miaro amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina ary ilay elanelana 1 metatra eo am-pilaharana ny rehetra. Tsiahivina moa fa anisan’ny toerana nolalovan’ny mpitandro ny filaminana nanaovana fanentanana ny teny Ivato teny ny Sabotsy teo, indrindra fa ho an’ireo mbola nivoaka ny trano ihany taorian’ny tamin’ny 12 ora atoandro. Toraka izany koa ny teny Ambohibao sy Talatamaty izay voatery nitazonana olona maromaro mihitsy, voalaza fa tsy nanana antony manokana nivoahany ny trano nefa mbola hita nivezivezy sy nirenireny teny rehetra teny ihany. Niaraka tamin’ny alika mihitsy moa ny mpitandro ny filaminana nandritra izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT