Sosialy

KAOMININA IVATO Nizara fanampiana ho an’olona 1100 isa


  • Alakamisy 30 Desambra 2021

Olona miisa 1.100 no nozaraina fanampiana omaly tao amin’ny kaominina Ivato. Nahitana fotsimbary, kafe, siramamy ary sira izany niampy paty hahafahan’izy ireo miatrika ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao sambatra


 manomboka rahampitso. Somary nihena io isa io raha oharina tamin’ny taon-dasa raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa. Nahatsiaro ho sahirana tanteraka mantsy ny ankamaroan’ireo orinasa teny an-toerana vokatry ny fandalovan’ny valan’aretina covid 19 ka vitsy no namaly ny antson’izy ireo. Na izany aza hoy ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa dia hetsika efa fanao isan-taona ny tahaka izao ary mbola nisy hatrany ihany koa ireo orinasa namaly ny antso na samy tra-pahasahiranana aza. Olona notsongaina avy amin’ny Fokontany miisa 13 moa ireo 1.100 isa ireo izay nomarihin’ity Ben’ny tanana ity fa zokiolona sy sahirana ny ankamaroany.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana omaly notarihin’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT