Sosialy

Kaominina Ivato Miasa mafy manala fako ny Ben’ny tanàna


  • Zoma 31 Janoary 2020

Vao valo andro monja izao no nipetrahan’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa eo amin’ny toerany dia efa tsy mijanona manala ireo fako mivangongo ao amin’ny tanànan’Ivato izy sy ireo mpiara-miasa aminy.

Raha araka ny fanazavany dia tsy nisy mpanadio mihitsy ny tanana tao anatin’ny dimy volana tsy nahateo azy ka nikolay daholo ny mponina. Na izany aza anefa hoy izy dia isaorana ny malala-tanana fa tena manampy sy manohana ny kaominina Ivato tokoa. Tamin’ny herinandro lasa teo dia teny Mandrosoa no nanaovan’ny kaominina ny asa  fanadiovana. Ao an-tsena indray amin’ity herinandro ity. Tanjon’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa ny hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina ao Ivato amin’ny maha vavahadin’i Madagasikara azy ho fiarovana  ny fahasalaman’ny mponina. Aorian’ny asa fanadiovana dia nambarany fa hiroso amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa ny tenany ka anisan’ireny ny fametrahana jiro hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fanamboarana ireo lalana potiky ny ranon’orana. Efa eo am-pandinihina ny tetibola amin’ity taona 2020 ity moa ny kaominina Ivato  ankehitriny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT